Tsy milamina ny eny amin’ny faritr’i Talata Volonondry efa ho volana maro izao. Mihorohoro ny mponina amin’ny ataon’ny mpangalatra omby anaty vala. Misy hatrany ny fiambenana ataon’ny fokonolona isaky ny alina. Tsy mahasakana ny mpangalatra anefa izany. Naharay vaovao ny mpitandro filaminana miasa any an-toerana tamin’ny talata teo fa misy trano mampiahiahy ny mponina teny Antahabe Maroary. Nangataka taratasy fisavana avy amin’ny tiribonaly ry zareo ary dia afaka nanao fisavana trano iray tsy lavitra ny tanàna atao hoe Ankorombe. Rehefa natao izany fisavana izany dia nahatratra basy PA roa ny zandary, basy plastika iray ary bala 7,62 ana MAS 36 (à blanc). Nisy olona roa tratra tao amin’ilay trano ary dia nentina natao fanadihadiana. Omaly no niatrika ny mpitsara mpanao famotorana izy ireo ary araka ny vaovao voaray dia nomena sazy (contravention), avy eo nahazo fahafahana vonjimaika.
Tamin’ny taon-dasa, ny volana jolay, novambra ary desambra, navaivay ny halatra omby teny an-toerana. Nanao ny asany ny zandary ka olona valo no voasambotra tamin’izany. Efa nalefa vonjimaika tany Tsiafahy izy ireo. Tsy nijanona anefa ny fangalarana omby. Ny volana desambra lasa teo, tovolahy iray no maty notifirin’ny jiolahy teny avaratry ny tananan’i Talata Volonondry. Rehefa nojerena ny bala nahafaty azy dia voaporofo fa ana basy MAS 36. Araka izany, toa misy ifandraisany avokoa ireo zavatra rehetra ireo. Ny filzan’ny mponina eny an-toerana ihany koa no hilazana fa tsy vao sambany ny fangalana omby anaty vala fa efa an-taonany maro tokoa. Havoaka ny omby dia vonoina any anaty alana kininina any. Rehefa tonga ny mpanaradia dia taolana sy taovany sisa hita. Ny hena efa lasan’ny mpangalatra. Mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ny zandary amin’izao fotoana izao mba hahafantarana ireo mpangalatra omby tonga dia mivadika ho hena ireo.
Nangonin’I r.s.