Raikitra indray ny sakoroka, omaly teny Analakely, teo amin’ny mpivarotra amoron-dàlana, andaniny ary ny mpitandro filaminana, ankilany. Vokany, olona telo no nosamborin’ny mpitandro filaminana. Nalefa nofotorana eny amin’ny biraon’ny zandary eny Betongolo izy ireo. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa nahitana fitaovam-piadiana toy ny zava-maranitra tany amin’izy ireo. Saika isan’andro tokoa mantsy no tonga manao filaharana sy fitakiana ireo mpivarotra amoron-dàlana ireo. Miezaka ny manala azy ireo ny avy ao amin’ny kaominina.
Nitokona teo anoloan’ny biraon’ny kaominina ireo mpivarotra ireo ary nangataka fihaonana amina tompon’andraikitra hanao fifampiraharahana, omaly. Nisy solotenan’izy ireo tokoa afaka noraisin’ny sekretera jeneraly sy ny lefitra voalohany sy fahatelon’ny ben’ny tanàna. Tany ivelany anefa tamin’io fotoana io, nihamafy ny tabataba tsy nifandrenesana, sioka sy hetsika samy hafa nanehoana ny tsy fahafaliana. Nitohana ny fifamoivoizana tamin’izay fotoana izay. Hatreo aloha, tsy nisy ny sakoroka. Tampoka teo anefa, nisy olona iray namely totohondry polisy avy ao amin’ny kaominina. “Tsy mpivarotra io, hoy ny avy ao amin’ny tompon’andrikitra”. Tsy vitan’izany fa mbola namafy sakay an’ilay polisy io olona io. Tsy nitazam-potsiny ny polisy namany avy ao amin’ny kaominina. Teo no nanomboka ny sakoroka sy ny fisamborana. Ilay voadaroka sy voan’ny sakay, avy hatrany dia notsaboina.
Izany zavatra niseho rehetra izany dia voamariky ny mpanara-baovao fa tsy mampilamina ny eto afovoan-tanàna. Tapitra nihidy avokoa ireo mpivarotra rehetra teny an-toerana. Samy matahotra ny ho voaroba ny. Voamarika izany manomboka eny Analakely, Soarano, Behoririka sy ny toerana manodidina. Ny mpandalo moa dia tsy nisy nandeha tamin’ireo toerana ireo ary nivily làlan-kafa mihitsy, matahotra ny ho voaroba ny sasany. Tsy fantatra intsony mantsy izay tena mpivarotra manao fitakiana sy ny mpanararaotra.
Nangonin’I r.s.