Manomboka amin’ny 8 ora alina no tonga eny akaikin’ny tonelina Ambanidia ny andiana mpanendaka. Ireo olona tratra hariva hody no tena lasibatry ry zalahy ireo amin’izay fotoana izay. Izay tratrany, mitondra faisana avokoa. Izay olona mandeha irery na roa no tena handrasany. Maro dia maro tokoa ny efa voa. Naharay vaovao mikasika izany ny polisy avy ao amin’ny “Unité d’Intervention Rapide” (UIR) Tsaralalàna ka nidina teny an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Voasambotra tamin’izany ny olona efatra, lehilahy avokoa. Efa tamin’ny 8 ora alina tamin’izay. Tamin’ny famotorana azy ireo no nahafantarana fa efa ela no nanaovan-dry zalahy ity asa fanendahana ity teny an-toerana. Izao anefa izy ireo vao tratra. Tsy mijanona eny amin’iny toerana iny ihany, anefa izy ireo, araka ny vaovao voaray fa tonga hatrany Ambanidia lavitra any. Omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana izy efatra ireo.
Nagonin’i r.s.