Manerana ny faritra maro eto Andrenivohitra no nahatrarana mpifoka rongony, taona maro nifanesy lasa izay. Tamin’ity indray mandeha ity, teny Tsaralalàna izay toerana feno olona tokoa no naha-traingo an’ireto vehivavy lehibe roa, ny iray 66 taona ary ny faharoa 40 taona. Ny polisy avy ao amin’ny boriboritanya voalohany no nahatratra azy ireo tamin’ny zoma teo, tamin’ny 4 ora hariva. Tsy lavitra hotely lehibe iray eny an-toerana no sarona ireto olona ireto. Teo ampivarotana fonosana rongony no tra-tehaky ny mpitandro filaminana izy ireo. Mbola nahitana fonosna miisa fito tany amin’izy mianaka ireo. Efa maro ireo mpifoka rongony tratra teny Analakely. Rehefa nofotorana ireo olona ireo dia matetika no miverimberina ny anaran’ireo vehivavy roa ireo. Rehefa nohadihadiana izy roa vavy, dia fantatra fa efa mpamerin-keloka ilay vehivavy lehibe, ary fantatry ny mpitandro filaminana tsara tokoa. Efa ho folo taona mantsy no nivarotany rongony teny an-toerana. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa mpameri-keloka io olona io, satria efa in-dimy niditra teny Antanimora izy, tamin’ny resaka varotra rongony nataony. Fantatra fa eny amin’ny faritra Antohomadinika no fangalany ireo rongony amidiny. Omaly alatsinainy no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana izy ireo.
r.s.