- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Kilemaina mitily anaty fiara, miantso mpandenaka avy eo

Ambanidia : Kilemaina mitily anaty fiara, miantso mpandenaka avy eo

Mpanendaka miisa dimy, tsy ampy taona ny roa, kilemaina ny iray, no voasambotry ny polisy avy ao ao amin’ny boriboritany faharoa eny Ambohijatovo tamin’ny zoma las teo. Andiana jiolahy izay voalaza fa nampitondra faisana tokoa ny rehetra mpampiasa iny lalana iny izy ireo. Ny tena hakigany dia ny maka zavatra anaty fiara amin’ireny fitohanan’ny fifamoivoizana ireny. Efa tena tambazotra tokoa ilay izay. Misy mantsy ny mpitily fotsiny izay azo halaina ao anaty fiara. Io ilay kilemaina, mody mangataka, hoy ny vaovao voaray. Rehefa mahita zavatra mora halaina izy io dia mampita ny “sopapa” any amin’ireo namany izay kinga tokoa amin’ny fangalana ny entana,telefonina sy zavatra faha. Eny amin’ny lalana mihazo ny PMU mandalo ny FTM sy ny fivarotana lasantsy ka tonga hatrany amin’ny tsena Ambanidia. Mitsoaka avy hatrany ireo mpanendaka raha vao mahazo. Ilay kilemaina kosa mijanona eo amin’ny toerana ihany. Raha tsy mahazo anaty fiara ry zalahy, izay vehivavy mandeha irery no mitondra faisana. Rehefa avy eo mifanao fotoana eny Antaninanandrano izy ireo mizara ny rembiny. Ny entana rehetra azony dia eny Ambohijatovo sy ny Isotry no famarotany azy, hoy izy ireo rehefa avy nohadihadiana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici