Noho ny asan-dahalo tsy ahitam-panafana dia mandry andriran’antsy ny ankamaroan’ny mponina amina faritra maro eto amintsika, indrindra amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy iny, ary tsy mifidy asiana intsony ireo fahavalom-bahoaka, fa hatramin’ny mpandevina lasibatra. Ny asabotsy teo, tany amin’ny distrikan’i Sakaraha, fianakaviana iray avy nandevina ka hamonjy fodiana nandeha sarety roa no notafihin’ny dahalo miisa folo nirongo fitaovam-piadiana teny an-dàlana. Norobain’ireo malaso mpanakan-dàlana avokoa ny mpandeha rehetra, ka lasa tamin’izany vola sy fananana tany amin’izy ireo. Tovolahy roa lahy tamin’ireto fianakaviana avy nandevina no niezaka nanohitra ny fandroban’ireo malaso ka voakapa famaky naratra mafy, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa
Sakaraha : Fianakaviana avy nandevina notafihin’ny dahalo, olona roa naratra
Articles qui pourraient vous intéresser