Noho ny resaka kolikoly ataon’nya mpitandro filaminana sasany zatra ny lalan-dririnina; izay voalaza fa mampirongatra ny asan-dahalo sy asa ratsy any amin’ny kaominina Beraketa, Distrikan’i Bekily, dia mihenjan-droa ny tady eo amin’ny ben’ny tanàna Jaomila Pelthin sy ireo ampahana zandary miasa any an-toerana. Raha ny nambaran’ity Ben’ny tanàna ity tamin’ny mpanao gazety, dia vain-dohan-draharahany ny ady amin’ny kolikoly sy ny fandriampahalemana, ary tsy mihemotra amin’ny tolona izay ataony ny tenany na dia eo aza ny fandrahonana samihafa nanomboka ny volana desambra 2015 no mankaty.
Kivy ny vahoaka. “ Tsy nanaiky ary nisakana ny fampandoavan’ ny mpitandro filaminana vola 6,5 tapitrisa ariary an’ ireo ray aman-deny sy sefo fokontany avy ao Betsioky Atsimo ny tenako, ka niteraka olana sy ady mangatsiaka teo aminay izany. Tsy ankasitrahan’ireo tsy maty voalavo an-kibo matahotra ny ho very tombontsoa ny fomba fiasako, satria manapaka ny fihinanany “, hoy ny Ben’ny tanàna Jaomila Pelthin. Aoka, hoy izy, nanohy ny fanazavany, fa izay fahavalom-bahoaka meloka tratra ambody omby mba ho faizina ka halefa eny amin’ny fitsarana, satria tany tan-dalàna isika. Sady amin’izay tsy lany fananana fotsiny miantoka ny sakafon’ireo olon-dratsy voasambotra sy miambina azy ny fokonolona tsy afaka miasa, toy ny tranga tao amin’ny fokontany Ampandrandava herinandro vitsivitsy lasa izay.
Fanamparam-pahefana. Mpitandro filaminana roalahy no voalazan’ ity ben’ny tanàna ity fa tena mampitondra faisana ny mponina eo amin’ny fanaovana “ tsolotra “ sy “ fanamparam-pahefana ”, ka mampirongatra izay tsy izy ny asan-dahalo ao Beraketa. Manoloana izany, velon-taraina ny vahoaka ka voatery nanaovan’ny sefo fokotany, ireo mpanolo-tsainan’ny kaominina, ireo ray aman-dreny any an-toerana, sy ny Ben’ny tanàna taratasy ireto mpitandro filaminana ny mba hamindrana toerana azy ireo. Mangataka ny tompon’ andraikitra mahefa hijery ifotony ny raharaha.
Eric Manitrisa