Hasahiana ny an’ity tovolahy iray nilaza fa mahita olona azo amidy. Rangahy iray tsy fantany akory no natoniny tamin’ny Alahady hariva teo nilazany, fa mahita olona azo amidy izy,ka avy any ambanivohitra no hakany azy. Nambarany tamin’ity rangahy ity fa manana olana ara-bola izy nefa misy afera hitany, izay efa fanaony ihany koa. Nolazainy fa misy tovolahy kely any tonga dia azo alaina avy hatrany raha mahita mpividy. Niantso namana ilay rangahy ary nangataka fanazavana tsara momba an’ilay afera. Samy naheno teo ny manodidina fa aferana-fivarotana olona mihitsy no nambaran’ilay tovolahy. Nisy ireo olona naheno ny resaka tamin’io fotoana io no avy hatrany dia niantso ny mpitandro ny filaminana. Tsikaritr’ilay tovolahy izany ary nanomboka mailomailo ny tenany. Niezaka nampiresaka azy ilay rangahy mba hitazonana azy, nolazainy fa avy any Morafeno distrikan’i Mandoto izy ary any no fangalany ireo olona hamidiny. “Henjana ihany no manao azy, fa akipy ny maso rehefa mila vola” hoy ilay tovolahy nanazava. Nambarany koa fa rehefa lafony ireo zaza dia ambarany amin’ny olona any an-tanàna fa nalefa niasa ilay zaza nefa nitsoaka dia tsy hita intsony izay misy azy. Nanomboka tezitra ny manodidina vitsivitsy naheno ny resaka ka nisy ny tonga dia niaka-pofona ka saika hidaroka ity tovolahy ity. Nandray “cyclo-pousse” ilay tovolahy ary nitsoaka nihazo ny lalam-pirenena faha-34 iny; izay mifanakaiky amin’ny “voirie”. Niezaka nanenjika ny olona, tsy tena lasa lavitra, tratra ilay mpitondra “cyclo-pousse” saingy tsy teo intsony ranamana, nambaran’ilay mpitari-posy fa nitsambikina teny am-pandehanana ilay tovolahy ka tsy hitany izay nalehany. Teo no tonga ny polisy ary naka ilay mpitari- posy hanaovana fanadihadiana. Tsy hita intsony kosa ilay mpiavarotr’olona.
Raha ity tranga niseho teto Antsirabe ity, dia azo ambara fa misy tokoa ny fivarotana olona, ary miseho amin’ny endrika maro izy ireny. Antenaina fa hisy ny vokatry ny fanadihadiana ary tokony ho mailo ny rehetra, fa tsy misy tandroka tokoa ny ratsy.
Andry N.