- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Lehilahy feno dian’antsy, hita faty

Arivonimamo : Lehilahy feno dian’antsy, hita faty

Novonoina dia avy eo natsipy tany anaty kirihitra. Lehilahy iray, manodidina ny 58 taona no hita faty tao Ambohiborimanga, kaomina Ambatomanga, ao amin’ny distrika Arivonimamo, ny zoma hariva lasa teo. Ny fokonolona sendra nandalo teo amin’io toerana io ihany no nahita ny razana teo an-toerana. Ny fizahana nataon’ny mpitsabo no nahafantarana, araka fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa maty novonoina ity raim-pianakaviana, izay fantatra fa mpamboly ity. Nahitana dian’antsy mantsy teo amin’ny lohany sy ny tanany, izay azo vinavinaina ho nitarika ny fahafatesany. Mbola tsy fantatra kosa hatreto ny mombamomba ireo namono. Taorian’ny fizahan’ireo tompon’andraikitra dia nomena ny fianakaviana ny razana. Efa mandeha kosa ny famotorana ataon’ireo zandary any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici