- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRaharaha kidnapping : Fantatra ny niavian’ireo bala nampiasain’ireo olon-dratsy

Raharaha kidnapping : Fantatra ny niavian’ireo bala nampiasain’ireo olon-dratsy

Taorian’ny nahatrarana an’i Lejo na Massaro, isan’ireo atidoha nikotrika ny fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie ny 23 novambra, ny taona lasa, tany Vangaindrano, ny faran’ny heriandro lasa teo, dia mitohy hatrany ny vaovao mikasika azy sy ireo asan-jiolahy efa namantarana azy tao Toamasina.

“MOP” ara-dalàna. Ao anatin’ny famitana ny sazy 15 taona azony teo anivon’ny fitsarana ady heloka be vava Toamasina i Lejo, na Massaro, ankehitriny izao tratra izao. Voaenjiky ny fitsarana noho ny raharaha fanafihana volana orinasa mpitrandraka harena ambanin’ny tany tao Betainaomby, ka nahaverezana vola manodidina ny 500 tapitrisa ariary izy, ny 27 aprily 2011. Raha nijanona roa taona tao am-ponja izy dia nalain’ny fitsarana Toamasina nanao “M.O.P” (Main d’Œuvre Pénale) ny 11 jona 2013 izay vita sonia ara-dalàna ary neken’ny fitsarana naka azy ihany koa ny nanaovany izany MOP izany. Nandritra ny roa taona niasany teo anivon’ny fitsarana tao Toamasina dia tsy nisy ny olana teo aminy sy ny fitsarana nampiasa azy, afa-tsy 23 novambra 2015 izay nandraisany anjara tamin’ny fakana an-keriny ireo zanaka mpandraharaha amin’ny sehatry ny andramena tao Toamasina, ka voatery nanaovan’ny fitsarana nampiasa azy tatitra fandosirana teo anivon’ny fonjan’i Toamasina ny 19 desambra 2015.

Bala nivoaka tamina lapam-panjakana ? Isan’ny mbola mitana ny sain’ny maro ihany koa mikasika ireo bala miisa 119 sy basy kalaky miisa 4 tratra, nandritra ny fanafahan’ny polisy an’i Arnaud tao Andranomadio farany teo. Mivoaka koa ny tsiambaratelony ankehitriny taorian’ny nahatrarana an’i Lejo na Massaro sy nahafaty an’i Fredo.Voalazan’ny angom-baovao fa « bala na kalaky sy basy kalaky nivoaka avy amina lapam-panjakana » izy ireo. Lasa manamarina izany ny voalazan’ny tonia mpampanoa lalana tao Toamasina sy ny sekretera jeneralin’ny syndikan’ny mpitsara, nilaza nandritra ny fiantsoana mpanao gazety nataon’izy ireo ny 12 janoary lasa teo, fa « aoka tsy holazaina indray fa basy nivoaka tamin’ny krizy 2002 indray ireto basy sy bala maro be tratra ireto…». Raha ny hita tokoa dia mitondra ny laharana 61/97 – 86/15 – 534/74 – 539/74 – 85/15 – 270/76 ary 71/78 ny ankamaroan’ireo bala ireo ; ka ireo tarehimarika farany 95 – 15 – 74 – 76 – 78 ireo no tokony hamantarana izay toby na lapam-panjakana mety nivoahany. Ny teo amin’ny basy kalaky indray dia efa nokikisana ny marika sy ny laharana tokony hahafantarana azy, ary mbola basy natambatambatra ihany koa. Ankoatra izay, dia ny angom-baovao « marim-pototra » ihany koa, dia isan’ny nandray anjara feno tamin’ny fakana an-keriny an’Ingahy Moustapha Azir ihany koa izy sy Fredo, izay efa maty voatifitry ny polisy tao Tanambao V. Raha io angom-baovao io ihany anefa dia mbola izy sy i Fredo ihany koa no sahy nitifitra azy, saingy tsy nahafaty ity farany na dia namono azy mihitsy no tanjona. Amin’izao fahatrarana azy efa mandalo fanadiadiana lalina eo anivon’ny polisy misahana ny heloka be vava eto Antananarivo Anosy izao, dia inoana hivoahan’ireo anarana maro be niara-nisalahy taminy sy Fredo mikasika izao raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud sy ny famonoana ny Annie izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici