- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -

Tapatapany

# – Mananara Avaratra. Olona efatra maty kila forehitra nilatsaham-potaka, ny alatsinainy teo, tao Ambodiampana. Tamin’io andro io, raha ny vaovao voaray, dia nasiaka ary nirefodrefotra ny varatra, ary nitotona tamina tokantrano roa, ka teo no nahafaty an’ireto olona; izay olon-dehibe avokoa. Misy ny mihevitra ireo mponina eo an-tanàna fa vokatry ny fialonana no nandatsahana varatra azy ireo. Misokatra ny fanadihadiana.

# – Manandriana. Nandravarava ny rambon-danitra tany amin’ity distrika ity ny alatsinainy tolakandro teo. Rava tanteraka 100% vokatr’izany ny CEG tao amin’ny Kaominina Ambatomarina. Olona miisa 40 naratra, ka voa mafy ny 3 amin’ireo. Tsaboina ao amin’ny hopitaliben’Ambositra ny iray. Nentina nihazo an’Antananarivo kosa ny roa noho ny halehiben’ny fahavoazan’izy ireo. Nifanome tanana nitondra ireo naratra ny Cisco sy DREN Amoron’i Mania. Nampanantena ny handray an-tanana manontolo ny fitsaboana ireo naratra ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, hoy ny vaovao voaray.

# – Mahabo – Ankilivalo. Andian-dahalo 40 lahy nirongo fitaovam-piadiana maherivaika nandravarava indray tao amin’ny tanànan’ Ankilivalo, distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe. Tsy nionona tamin’ny fandraofana ny omby teo an-tanàna ireto malaso fa nitondra vehivavy roa nataon’izy ireo takalon’aina. Raikitra ny fifandonana tao anaty fanarahan-dia ka dahalo roalahy maty voatifitra, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici