Efa tena sahy ry zalahy. Basy kilalao no nentina, nakàna basy tena izy sy nanafihana manamboninahitra jeneraly iray teny amin’iny faritra Ankadikely iny, omaly vao maraina. Ambonin’ny PA azon’ireo olon-dratsy, lasa ihany koa vola an-tapitrisany tao anaty “coffre”.
Tokony ho tamin’ny roa ora sy fahefany maraina teo no niseho ity fanafihana somary nahazendana ny maro ity. Tranona jeneraly iray no notongavana efa-dahy mirongo zava-maranitra sy basy … kilalao. Raha araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia angamba jiolahy vao mikasa ny hiditra eo amin’izany sehatry ny asa ratsy izany ry zalahy ireto. Miaramila no handeha hotafihana kanefa na ny fitaovana aza tsy ampy akory. Tsy misaron-tava mantsy ny telo lahy tamin’izy ireo, ny iray kosa, ny akanjo nanaovany ihany no mody nanaro-tsaromany ny tarehiny. Izy rehetra dia samy tsy nanao kiraro avokoa. Na izany na tsy izany anefa, vitan-dry zalahy ihany ny asa ratsiny. Azony izay nilainy, ny basy sy ny vola tao amin’ity manamboninahitra ity. Tetsy andanin’izay kosa, tsy nanaiky nolembenana ilay jeneraly fa niezaka namaly. Na teo aza anefa ny filazan’ireo mpanoratra ny amin’ny hoe, ny Jeneraly iray, mendrika ny hitondra izany anarana izany dia mitovy amin’ny herin’ny miaramila iray alina, tsy nandaitra izany teto. Tratran’ny be noho ny vitsy ny lehilahy, ka nilavo lefona. Naratra vokatr’izany rahateo izy. Nahitana mangana teo amin’ny tanany sy ny tarehiny raha ny vaovao azo hatrany. Noteren’ireo olon-dratsy hamoaka sy hanome azy ireo ny basiny tamin’izay ity manamboninahitra ity. Hitan’iretsy voalohany ihany koa ny “coffre” hazo nihidy “cadenas”. Vola mitentina roa tapitrisa ariary teo ho eo no nentin’izy ireo. Azon’izy ireo izay nilainy, dia nitsoaka izy ireo. Tsy vitan’izany anefa, mbola nikasa hanafika ny trano teo ankilan’ity trano ireo olon-dratsy, izay tsy an’iza fa an’ny zanak’ity manamboninahitra ity hatrany. Voasakan’ ny “grille de protection” anefa izy ireo ka tsy afaka. Nitsoaka nihazo nianatsimo tany ireto jiolahy ireto, raha ny vaovao hatrany. Nahetsika avy hatrany ireo zandary teny amin’iny faritra iny, taorian’ity fanafihana manamboninahitra ity. Nisy ireo nitsongo dia avy hatrany ireo mpanafika. Manao savahao ny manodidina ny tanàna kosa ny hafa. Fantatra fa nampanantsoina alika mpitsongo dia mihitsy, hikarohana ireo nahavanon-doza. Raha ity tranga ity tokoa no dinihana, raha hoe hatramin’ny lehibe mpitarika mpitandro filaminana no efa sahin’ny jiolahy “mpiana-draharaha” tafihana, ahoana izany ny amin’ireo vahoaka tsy mandady harona ?
m.L