# – Antalaha – Roa herinandro tsy nisy fiaramanidina. Gaga ny rehetra fa efa ho roa herinandro izao no tsy nisian’ny sidin’ny Air Madagascar mankany Antalaha nefa feno hatrany ny fiaramanidina miala any ary misy mpandeha tavela aza fa tsy zaka. Hatramin’ny fiaramanidina madinika toy ny Twin aza tsy tonga any. Raha ny vaovao voaray, dia ny haratsin’ny « piste » no tsy hisian’ny sidina any, satria mamono antoka ny zotra mankany Antalaha. Tsy hanaiky ny fanakatonana ny seranam-piaramanidina ireo mpandeha mahatsiaro mijaly taorian’ny fivoriana notarihin’ny lehiben’ny distrikan’Antalaha, nandraisan’ireo mpandraharaha ara-toekarena sy ny mpitantana ny seranana, ny talata teo.
# – Mahabo – Olona efatra niara-maty, efa-bavy hafa lasan’ny dahalo takalonaina. Tsy nanaiky lembenana ny fokonolona fa nifanandrina mivantana tamin’ireo dahalo. Vokany, dahalo roa maty ary olona roa avy amin’ny fokonolona nanara-dia ihany koa lavon’ny balan’ireo malaso, tao Andranoribe Befotaka. Io no vokatry ny fifandonana mahery vaika teo amin’ireo dahalo 40 lahy avy nangalatra omby 135 sy nanao fahirano tao an-tanànan’i Morafeno Ankilivalo sy ny mpanara-dia nampian’ny mpitandro filaminana, ny alatsinainy maraina teo, tokony ho tamin’ny 4 ora tany ho any. Ankoatra izay dia renim-pianakaviana efatra ihany koa no nentin’izy ireo an-keriny hanaraka azy, hoy ny vaovao.
# – Ambanja – Mirongatra ny famonoan-tena. Tamin’ity herinandro ity raha ny vaovao voaray dia lehilahy roa no maty nananton-tena nanapitra ny ainy tany Ambanja, ka ny iray amin’ireo namono tena dia voafonja manao asa ivelan’ny fonja. Tsy fantatra mazava ny antony nanosika azy roa lahy ireo ho namono tena. Raha ny fanampim-baovao dia nirongatra nanomboka ny fiandohan’ity taona ity ireo olona misafidy mamono tena any amin’ity distrika ity.
Eric Manitrisa