Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra hoy ny fitenenana. Rehefa natao ny vela-pandrika rehetra dia noraisim-potsiny ilay ramatoa nisandoka ho mpiasa ao anivon’ny fitsarana eto Mahajanga. Efa ela no nilaza fa misahana andraikitra ho mpirakidraharaha na “greffier” io ramatoa voasambotra io. Asa izay entiny misoloky nakana vola tetsy sy teroa.
Tranga nahatrarana azy tamin’ity ny filazana fa manana tany; tany izay lazainy fa an’ny olona iray izay voatazona ao amin’ny fonjan’i Marofoto ka izy no nomena alàlana hivarotra io tany io. Toerana izay tsy misy akory anefa fa entina misoloky fotsiny. Hakany vola be tokoa izay tratrany hoe hikarakarana ny taratasy rehetra sy aloha mialoha any amin’ny tompony. Rehefa niandry anefa ireo nivarotana toa tsy nisy firosoany akory ny raharaha ka nitarika azy ireo hametraka fitorina; ary io izy nosamborina io ny farany, rehefa nofitahana.
Nandritra ny famotorana rehetra dia niaiky ny asa ratsy izay nataony ilay ramatoa. Efa fanaony ilay asa ary volabe tokoa no efa azony ary efa an-tapitrisany maro. Ny farany teo fotsiny ohatra dia nahazony vola 11 tapitrisa ilay olana nikasa hividy ilay tany.
Tsy vaovao amin’ny mason’ireo mpitandro ny filaminana io ramatoa io, raha ny fanazavana azo. Olona efa mivezivezy isan’andro ao amin’izy mitondra fitoriana an’ireo olona solokiny rehefa tsy mifanaraka aminy. Rahonany gadraina ireto farany fa hoe miara-miasa amin’ny polisy izy no mpiasan’ny fitsarana raha teo, hany ka milefitra. Taty aorina, zao vao fanatra fa kay izy no tena fositra ary voafitany hatramin’ireo mpitandro filaminana rehetra.
Tantely Vandriam