- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversKohen Rivolala : Herintaona an-tranomaizina, sazy mihatra

Kohen Rivolala : Herintaona an-tranomaizina, sazy mihatra

Niakatra fitsaràna omaly tany Miandrivazo ny raharaha ambalavelona, izay nahavoarohirohy an’i Tictacdou, na i Kohen Rivolala. Nisehoan-javatra hafahafa ihany nandritra ny fotoam-pitsaràna. Na izany aza, nilatsaka ny didy : herintaona an-tranomaizina sazy mihatra ny an’ity lehibena fiangonana ity, sazy mihantona kosa ny an’ireo namany telo.

Mpitandro filaminana marobe no nanemitra ny tanàna sy teny amin’ny tribonaly, omaly antoandro tany Miandrivazo, raha ny vaovao avy any an-toerana. Ary mbola marobe torak’izany ihany koa no niambina ity mpitondra fivavahana, nitondra ny fitsaboana kabalistika, voarohirohy ho nanaparitaka ambalavelona tany an-toerana ity. Omaly tokoa no nontanterahina ny fotoam-pitsaràna azy, niaraka tamin’ireo namany enina voasaringotra tamin’ity resaka ity. Efa nanomboka tany amin’ny valo ora maraina tany ho any ny fotoam-pitsaràna, tsy vita anefa izany, raha tsy efa omaly hariva, tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any. Teo no ho eo ihany dia nivoaka ny didim-pitsaràna, izay nanameloka an’i Kohen Rivolala. Herintaona an-tranomaizina, sazy mihatra avy hatrany ny azy. Herintaona an-tranomaizina sazy mihantona kosa ny an’ireo namany telolahy. Etsy andanin’izany, noafahana kosa ireo mpiara-dia aminy tany an-toerana, voasaringotra tamin’ity resaka ity. Mbola nidanadana ho an’i Tictacdou indray aloha izany ny varavaran’ny fonja nitazomana azy, nanomboka ny faramparan’ny volana novambra lasa teo, hanefana izay sazy izay. Naverina avy hatrany tany rahateo ny tenany taorian’ny fivoahan’ny didy.

Fa ankoatra izay, fantatra fa voatery notapahana ny fotoam-pitsaràna tokony ho tamin’ny iray ora antoandro tany ho any, noho ny fisehoan-javatra hafa kely tao amin’ny efitrano. Nandritra ny fampiantsoana ireo tovovavy vavolombelona efatra teny amin’ny hazomeloka mantsy dia nihetsika tampoka ny aretin’izy ireo. Raha ny fampitam-baovao dia vao nahita an’i Kohen fotsiny ireo tovovavy dia nihetsika ny ambalavelon’izy ireo. Hiakiaka tsy nifandrenesana tao amin’ny efitrano fitsaràna. Nanapa-kevitra ny hampiato ny fitsaràna mihitsy aloha tamin’izay ny mpitsara. Tany ho any amin’ny roa ora mahery tany ho any indray vao niverina izany, ary tsy tapitra raha tsy io hariva be io. Toe-javatra mahavariana tokoa. Mampanontany tena ny maro ihany, sao mba zavatra iniana natao, handetehana ity mpitsabo kabalisitika ity ? Ny hevitry ny hafa ao anaty tambajotra sosialy indray milaza fa raha tena mahay izany tokoa moa i Tictacdou, tsy efa tafatsoaka tany an-toerana ve ?

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici