- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRN5 : Miaramila nanafika kamiô, nidoboka am-ponja

RN5 : Miaramila nanafika kamiô, nidoboka am-ponja

Niakatra fampanoavana omaly ilay raharaha nahavoarohirohy miaramila sy sivily, tamina fanafihana kamiô, niseho teny amin’iny lalam-pirenana faha-5 iny. Vokany, nampidirina am-ponja vonjimaika avy hatrany ilay serza iray sy ilay sivily namany ary ilay mpamilin’ilay kamiô, mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo. Ny alatsinainy teo tokony tamin’ny 7 ora maraina, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Menatany, eo anelanelan’ny fokontan’Antanambao Nosibe sy ny tanànan’Ambodiatafana, no nanafihan’ireto miaramila manana ny grady serza mirahalahy sy ity sivily iray mpaka ny vaovao ho azy ireo, ity kamiao haka entana tao Toamasina. Lasan’izy ireo tamin’izany ny volan’ity mpivarotra iray mitentina 24 tapitrisa ariary, saika hividianana entana tao Toamasina. Vao tonga tao Toamasina ity mpivarotra dia nitory teo anoloan’ny zandary. Raikitra avy hatrany ny fikarohana azy ireo. Tratra tamin’izany tao anatin’ny alan’ny kaominina Antetezambaro ilay serza iray sy ilay sivily, niaraka tamin’ny vola 8 tapitrisa ariary. Ilay serza iray hafa kosa niaraka tamin’ny vola 16 tapitrisa ariary nanjavona,ka mbola mikaroka azy ny zandary ankehitriny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici