- Publicité -
lundi, novembre 24, 2025
- Publicité -

Tapatany

#-Halatra « sprinter ». Nadoboka eny Tsiafahy ny roalahy. Nalefa nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ireo olona 13 voarohirohy tamin’ilay resaka halatra “sprinter” sy vono olona nitranga teny Masindray, ny volana novambra lasa teo. Nalefa eny amin’ny fonjaben’ny Tsiafahy avy hatrany ireo roalahy, nambara ho tompon’antoka nivantana tamin’ity raharaha ity, dia ilay nangalatra sady namono ireo mpamily sy ny mpanampy azy, ary ilay nividy an’ilay fiara. Ireo olona 11 ambiny kosa, izay saika ekipa matanjaka, mpanova ireo mombamomba ny fiara sy ny manodidina azy, dia nampidirina vonjimaika eny Antanimora.

#-Ambodin’Isotry. Mpanendaka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Tsy manaiky lembenana intsony amin’izao ireo fokonolona fa miezaka miaro ny fananany amin’ireo mpanao ratsy. Lehilahy iray no tratran’izy ireo teo am-panaovana ny asa ratsiny, omaly teny Ambodin’Isotry. Niharan’ny daroka isan-karazany ranamana io, izay vao naterina teny amin’ny kaomisaria. Raha ny fantatra dia vao avy namita sazy tany am-ponja ity lehilahy ity izao niverina tamin’ny asa ratsiny izao indray.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici