- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFANINTSIANA LAHATSORATRA

FANINTSIANA LAHATSORATRA

« Tsy nisy fahaverezana bala marobe tamina toby miaramila »

Ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika Malagasy dia mandiso ny lahatsoratra navoakan’ny gazety “Midi Madagasikara”, laharana 9854, ny alarobia 20 janoary 2016, pejy fahadimy amby roapolo, nosoratan’i D.R, milaza fa “very ny bala marobe (…) Ny herinandro lasa teo (…) tao amin’ny toby iray eto amin’ny manodidina ny renivohitra”. Tsy nisy fahaverezana bala marobe tamina toby iray manodidina ny renivohitra ny herinandro lasa teo.

Diso ny “tsilian-tsofina” nilazan’ny mpanao gazety fa nandalo tao anatin’ny fivoriam-be nataon’ny lehiben’ny miaramila ity resaka ity noho ny tsy fisian’ny “tranga” voalaza akory.

Ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika Malagasy, tompon’andraikitra voalohany amin’ny fibaikona ny Tafika, dia tsy nahatsiaro ho namaly fanontanian’ny mpanao gazetin’ny Midi Madagasikara mikasika io raharaha io. Tsy afaka ny “mialabala” noho izany ny tenany.

Ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika Malagasy dia misokatra amin’ny fanomezam-baovao ary mamaly fanontaniana toy ireo apetraky ny mpanao gazety tsy misy valiny ao anatin’ny lahatsorany mba tsy hahatompontrano mihono ny olom-pirenena.

Ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika Malagasy.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici