- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Ankizy 20 niara- nihetsika ambalavelona

Miandrivazo : Ankizy 20 niara- nihetsika ambalavelona

Omaly, ankizy 20, mpianatra ao amin’ny sekoly tsy miankina iray indray no nihetsika ambalavelona, tany Miandrivazo. Nihevitra tokoa ireo mponina fa hijanona amin’izay ity resaka ambalavelona any an-toerana ity taorian’ny fanamelohan’ny fitsarana  ny  Kohen Rivolala, izay nambaran’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra fa nitondra ity aretina ity tao an-tanana sy nampidirana am-ponja azy any an-toerana. Dia mbola io tsy mety tapitra io ihany anefa. Matanjaka tokoa, raha izany ny hery ananan’ity rangahy ity, raha tena izy indray no ambadik’ity tranga vaovao ity. Na dia toa efa rindrim-be aza no manasaraka ity mpitsabo kabalisitika ity amin’ireo mponina, dia mbola manana hery hampihetsehana ankizy 20 lavitra azy ihany ny lehilahy ? Teo anatrehan’ity tranga omaly tany an-toerana ity, raha ny fampitam-baovao avy  any an-toerana hatrany, dia voatery nandray fepetra ireo tompon’andraikitry ny sekoly, nandrava ny fampianarana. Mihorohoro araka izany ireo mponina any an-toerana amin’ity trangan-javatra miseho ity. Mandeha mihitsy indray aza ny feo, ny tokony hamoahana an’i Tictacdou ao am-ponja atao fitsaram-bahoaka, fa hoe raha tsy  izany tsy milamina ny tanana. Antony iray hanondroan’ireo ray aman-drenin’ireo ankizy marary mantsy, dia hoe saika manonona ny anaran’ny Kohen Rivolala avokoa izy ireo ao anatin’ny aretiny, izay saika mitovy fiseho avokoa : miakarapoka sy tsy mahatsiaro tena, mihinjitrinjitra sy mihiakiaka mafy avy eo. Ireo ankizy efatra, nampanantsoin’ny mpitsara atao vavolombelona tamin’ny fitsarana azy , afak’omaly dia teo imason’ny mpitsara sy ny mpanatrika mihitsy no nihetsika izany, ka voatery nampiatoana ny fotoam-pitsarana. Toa hoe vao nahita an’ity mpitondra fivavahana ity fotsiny dia tonga ilay aretin’izy ireo. Tsiahiviana fa nomelohin’ny fitsarana sazy mihatra herintaona an-tranomaizina ny Kohen, afak’omaly. Dia mbola mitohy fa tsy tapitra teo amin’ny fampidirana azy am-ponja araka izany ny resaka.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici