Ny fitsarana tampony no hihaino azy ary amin’ny alatsinainy izao no voatondro fa hanaovana an’izany. Mandra-piandry ny fotoana, dia handrasana any amin’ny toerana iray any Manjakandriana aloha ny tenany. Omaly ihany koa no nandrasana teny amin’ny fampanoavana tetsy Anosy ireo olona 27; izay efa notazomina am-ponja vonjimaika tany Toamasina, momba ity raharaha ity. Tsy tontosa anefa izany ny andron’ny omaly. Matetika rehefa asabotsy maraina, tsy dia be olona loatra amin’iny Anosy iny, no fitondrana ireo olona voarohirohy amin’ny dosie mafana. Ho hita eo arak’izany anio ny fivoaran’ity raharaha ity. Handrasana ihany koa ny fanapahan-kevitry ny CSM; izay hivory momba ny zava-nitranga ka nahakasika ny olony (jereo lahatsoratra etsy ankila). Ho an’ny mpanara-baovao, dia hizotra tsy ho ela amin’ny fahafantarana ny atidoha nikotrika ity raharaha ity. Hatreto mantsy, mbola ireo mpanatontosa sy nanampy tamin’ny fanatontosana aloha no voasambotra.
D.R