- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMahazoarivo : Zandary roalahy nohosena tamin’ny taxibe fanahy iniana

Mahazoarivo : Zandary roalahy nohosena tamin’ny taxibe fanahy iniana

Zandary roa samy miasa ao Mahazoarivo no nohosena taxibe 113 ny alin’ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny toerana fiantsonan’ireto fiara ireto teny an-toerana. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ireo mpitandro filaminana, dia samy naratra mafy izy roalahy ireto vokatr’izay loza izay ary voatery nalefa haingana teny amin’ny hôpitaly miaramila teny Soavinandriana. Efa tsy nitondra olona intsony ity taxibe ity tamin’io fotoana io. Nambaran’ireo mpanao fanadiahadiana fa toa natao fanahy iniana mihitsy ity fandomana mpitandro filaminana ity. Rehefa voafaokan’ ny fiara mantsy izy ireo, dia mbola niverenan’ilay fiara nodomina sy nohosena indray. Vita izay dia najanon’ilay mpamily ity fiara ity, ary lasa nitsoaka avy eo ity farany. Tsy nisy nahita izay tena zava-niseho ireo mponina teny an-toerana, raha ny filazan’izy ireo. Efa nitsirara teo amin’ny tany ireo mpitandro filaminana ireo no nisy nahatsikaritra ka avy hatrany dia nampandrenesina ireo namany. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary nijery ny zava-niseho sy nitondra ireo naratra. Notazomina kosa ity fiara “sprinter” ity. Efa fantatra ny tompony saingy kosa mbola eo am-pitadiavana ilay mpamily nahavanon-doza ireo mpanao famotorana. Valifaty, sotasota sa filam-baniny ? Raha ny fahitan’ireo teny an-toerana an’ity zava-niseho ity dia mety ho valifaty tsotra izao no nataon’ilay mpamily. Efa iaraha-mahalala tokoa ny fifanenjehana misy eo amin’ireo mpitondra taxibe sy ny mpitandro filaminana. Ny fanadihadiana ihany anefa no afaka hanamarina na handiso izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici