- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Mpangalatra matin’ny ny fitsaram-bahoaka

Ambatondrazaka : Mpangalatra matin’ny ny fitsaram-bahoaka

Raikitra ny hazolava sy ny antso vonjy ny alin’ny asabotsy faha-23 janoary 2016 hifoha ny alahady faha 24 janoary 2016 tokony tamin’ny 1 ora maraina tany ho any. Lehilahy roa saika hamaky trano no nifanenjehan’ny fokonolona. Samy nanao izay handosirany ireto mpangalatra ireto noho ny hamaroan’ny mpanenjika, ka ny iray no tafaporitsaka fa ny iray kosa tratran’ny fokonolona .Avy hatrany dia raikitra ny daroka sy ny vono, ny vely kibay. Nisy fokonolona nilaza hoe aleo entina eny amin’ny fokontany ,kinanjo nitombo ireo fokonolona ka samy nanala ny fony tamin’ny daroka avokoa .Efa nalemy sy nanomboka tsy nahatsiaro tena ity mpangalatra ity rehefa tonga teny amin’ny fokontany ,Ingahy lehiben’ny fokotany rahateo mbola tao anatin’ny torimaso mamy no nofohazina. Nitombo ihany ireo vahoaka mbola nidaroka sy nanitsakitsaka ,hany ka vatana mangatsiaka no novantanin’ny lehiben’ny fokontany rehefa nivoha ny trano .Mirongatra izay tsy izy ny halatra sy ny vaky trano eto an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao ka leo sy sosotra avokoa ny vahoaka. Raha ny loharanom-baovao ihany koa dia olona efa nisazy io olona.

Janus R .

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici