- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lasa dobo filomanosana olimpika Andranovisy

Antsirabe : Lasa dobo filomanosana olimpika Andranovisy

Efa am-polo taonany maro no tsy nisy fanamboarana intsony ny dobo filomanosana Andranovisy, na dia isan’ireo tsara sy reharehan’ny tanànan’Antsirabe aza izany fahiny  ankoatra ny ranovisy fisotro ao amin’io toerana io. Noraisin’ny fikambanana Ranovisy ny fitantanana  amin’izao fotoana, ary efa fotoana maro izao no nanarenana azy indray. Nody ventiny ny rano nantsakaina fa niverina amin’ny lazany ny dobo filomanosana, ary manaraka ny fenitra olimpika mihitsy na eo amin’ny refy izany na eo amin’ny halalin’ny dobo. Ankoatra izay ny fahadiovan’ny rano sy ny famefena ny faritra manodidina. Afaka handray fifaninana maro noho izany ity dobo ity, marihina moa fa efa nosoloina ihany koa ilay “plongeoir” avo dia avo iny isan’ny namantarana ity dobo ity teo aloha, saingy tsy maintsy novaina izany mba hifanaraka amin’ny fenitra takiana. Fantatra fa efa nisy ny fanasana ireo mpilomano avy any amin’ny faritra hafa, handray anjara amin’ny lalao izay hokarakaraina atsy ho atsy hoy ny filohan’ny ligin’ny taranja lomano eto Vakinankaratra, Atoa Tiana Andriamampianina. Hampitombo ny fahaiza-manao sy ny lentan’ny atleta eto Vakinankaratra ny fananana ity dobo ity, manana mpilomano misongadina rahateo raha ny eto Antsirabe. Isan’izany i Domoina Navalona Idealy, nahavita nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra tamin’ny karazana lomano efatra tany La Réunion farany teo. Nahazo ny laharana voalohany ihany koa izy tamin’ny Open vehivavy natao farany teo, tao Antananarivo. Fantatra fa handray lalao ny dobo amin’ny volana Martsa, isan’ny tombony lehibe ho an’ity dobo ity ny fananany rano mafana natoraly, an-kalamanjana rahateo ny toerana misy azy ka tsy hanahirana loatra ho an’ireo mpitia lomano sy mpifaninana.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici