Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly, teny Andrefan’Ambohijanahary ny sendika roa ao anatin’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nandray fitenena ny filohan’ny “Sydicat des greffiers de Madagascar (SGM) Rabenandrasana Nicolas. Niompana tanteraka teo amin’ny fitakiana ny ho fanatsarana ny tontolo ao anatiny izy. Anisan’izany ny amin’ny fitantanam-bola. Ho an’izy ireo tsy misy ny mangarahara. Ohatra iray ny tsy ampahafatanarina ao amin’ny “direstion” tsirairay ny sora-bola azo ampiasaina mandritra ny taom-pitsarana iray ( année judiciaire). Nasiany teny koa ny amin’ny lafiny sosialy izay misy fiangarana avy amin’ny tomponandrikitra. Natsidiny ihany koa tamin’ny teny nataony ny amin’ny fampidirana mpiasa vaovao izay tsy ho an’ny tombotsoa iombonan’ny minisitera akory fa ho an’olona iray ihany.
Ho an’ny mpandraharahan’ny fonja indray, dia voalaza, omaly fa na dia io sampana io aza no mahazo famatsiam-bola betsaka ao amin’ny minisitera dia nolazaina fa zavatra hafa no nampiasana ny vola.
Ho fehin’ny zavatra rehetra nangatahan’ny sendika roa, mitaky izy ireo ny hampitoviana zo ny mpiasa rehetra, hampitoviana ny “prime”isan-taona, ny hanajana ny antanan-tohatra, ny hanalana tsy misy hatak’andro ireo voaporofo fa manodikodim-bola sy ny zavatra marobe notanisain’izy ireo fa tsy ara-dàlana eo anivon’ny Fitsarana.
Nangonin’I r.s.