- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry : Tsenan-damba maromaro, may kila firehitra

Ambodin’Isotry : Tsenan-damba maromaro, may kila firehitra

Andro vitsy monja taorian’ilay hain-trano goavana teny Ankorondrano dia nitrangana hain-trano ihany koa teny amin’iny faritra Ambodin’Isotry iny, omaly vao maraim-be. Ireo tsenan-damba mampalaza an’iny faritra iny, indray no kilalaon’ny afo tamin’ity indray mitoraka ity. Fivarotana maromaro teny an-toerana no lasa lavenona. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina tany ho any no nisehoan’ny loza, raha ny fantatra teny an-toerana. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza. Maro amin’ireo mponina sy tompon’ny fivarotana no mieritreritra fa mety afon- tsaribao tsy tana no nahatonga izany, nampian’ny toetr’andro migaina sy somary mandrivotra. Nisahotaka avokoa ny rehetra raha vao nanomboka nijolofotra fotsiny ny setroka tamin’ny iray tamin’ireo tranoheva teny an-toerana. Poa toa izany anefa dia niantefa tamin’ireo fivarotana manodidina izany afo izany. Vao mainka moa nampantajaka ny lela afo ny fihitaran’izany tamina toerana fivarotana zava-pisotro. Ity farany izay kila hotohoto ihany koa. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tamin’ity fahamaizana teny Ambodin’Isotry ity. Na izany aza, tombanana ho an-tapitrisany ny entana lasa lavenona. Mbola saika tavela tao amin’ireo fivarotana ireo avokoa mantsy ny antontan-damba maromaro tokony amidy. Vetivety ihany koa dia tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina. Tsy nampanano sarotra loatra ny nifehy ny afo, na dia naharitra adin’ny iray maninjitra aza izany. Hain-trano faharoa goavana tato anatin’ny herinandro ity nitranga teny Ambodin’Isotry iny. Ny mahagaga dia saika fivarotana sy orinasa no tena lasibatry ny afo, izany hoe ireo toerana mety hisiana hananan’ny sasany sain-dratsy hanararaotra. Maro araka izany ireo mieritreritra ny hoe sao mba misy ambadika izao hain-trano misesisesy eto an-drenivohitra izao. Asa aloha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici