- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversBelo Tsiribihina : Mirongatra ny halatra lakolosy, fiangonana maro lasibatra

Belo Tsiribihina : Mirongatra ny halatra lakolosy, fiangonana maro lasibatra

Noho ny filana sy fitadiavana vy haingana havadika ho vola, dia mirongatra ny halatra lakolosy any amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihina. Fiangonana maromaro no fantatra fa lasibatra tamin’ity volana janoary ity. Raha ny vaovao voaray dia mihanika tilikambo mihitsy ireo jiolahy mangalatra lakolosim-piangonana. Saika tsy manam-po avokoa ireo fiangonana rehetra izay efa lasibatry ny jiolahy, raha tsy efa amin’ny fotoana hampiasana ny lakolosy mialoha ny fotoam-pivavahana ny alahady vao samy kepoka. « Efa eo am-piomanana hampaneno lakolosy hampidirina ny mpino vao samy ankona ny rehetra fa tsy eo amin’ny toerany intsony ny lakolosy », hoy ny mpitondra fivavahana iray any an-toerana nampita ny vaovao. Manoloana ny firongatr’ity trangan-javatra mampalahelo ity dia efa samy nandray fepetra ireo fiangonana hafa mbola tsy very lakolosy, ka misy amin’izy ireo manakarama mpiambina manonkana. Ao kosa ny mpino sasany vontom-pinoana manonkan-tena manao ny fiambenana isaky ny alina, ary misafo matetika ny faritra manodidina misy ny lakolosim-piangonana hisorohana ny halatra.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici