#- Ambodiafontsy. Môtô nidona tamin’ny pôtô, olona iray namoy ny ainy. Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no nitranga teo Ambodiafontsy, Ampitatafika, ny alarobia alina lasa teo. Roalahy nitaingina môtô, handeha hody eny Ampitatafika no niala làlana ary nidona tamina andrin-jiro iray teny an-toerana. Maty tsy tra-drano ilay nitondra môtô, naratra mafy kosa ilay olona iray nentiny taoriana. Nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana ilay naratra. Nomena ny fianakaviana kosa ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy.
m.L
#-Maintirano. Mpivady voatifitra teny ambony môtô. Ny herinandro lasa teo, mpivady iray handeha hihazo an’i Maintirano no nisy nitifitra teny ambony ny môtô nentin’izy ireo. Vokatr’izay, maty tsy tra-drano avokoa ireo olona roa ireto. Raha ny fampitam-baovao dia lasan’ireo olon-dratsy nitifitra izay zavatra sarobidy teny amin’ireto olona ireto. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.
m.L
# – Vohibato. Polisim-bohitra tratra nangalatra omby, tra-tehaka ihany koa ny basy fampiasany. Renim-pianakaviana iray tao an-tanànan’Aloatsiarovy, Kaominina Andranovorivato, Distrikan’ i Vohibato notafihana roalahy nirongo basy, ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 10 ora. Omby fito tao am-pahitra no lasan’ny dahalo. Raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona nampian’ireo mpitandro filaminana mpampandry tany, taorian’ny antso vonjy nataon’ny voatafika. Nifankatratra teny an-dàlana ny roa tonta sahabo ho kilaometatra vitsy miala ny tanàna, ka raikitra ny fifandonana. Voatifitra teo amin’ny tongony ny dahalo iray, izay voalaza fa polisim-bohitra ao Sahanavelo, ka tsy afa-nitsoaka intsony ary dia noraisim-potsiny. Maty voatifitry ny miaramila kosa ilay namany nitsoaka. Azo avokoa ny basim-borona nampiasain’ireto jiolahy nandritra ny fanafihana.
Eric Manitrisa