Ny 13 febroary, tany ho any amin’ ny sivy ora alina no niditra ankeriny tao amin’ ity mpivarotra ireto jiolahy 3 izay nitondra PA vita gasy sy antsy lava ary kibay, marihana fa mpamboly no tena fameloman-tenan’ ity tompona fivarotana ity fa mba vadin’ asa no nanokafany ilay “epicerie”. Mba hampihorohoroana ireto tompon-trano anefa tonga dia nanapoaka basy in-droa ireto mpandroba , ny tena marina anefa izay poa-basy izay no nanaitra ny manodidina ,ka nanaovan’ ny tao an-tanàna ny famonjena sy ny tolo-tanàna, tsy nahavita na inona na inona ireto jiolahy ka hany heriny dia novelesiny tamin’ ny kibay ilay rangahy, voa mafy tokoa ilay lehilahy ka nentina notsaboina any amin’ ny hopitaly HJRA.
Haingana ihany ny fahatongavan’ ireo zandary teny an-toerana ka niezaka nanara-dia ireto olon-dratsy, saingy efa tsy hita intsony izay nalehan’ izy ireo. Ny mahavelom-bolo aloha dia efa haingam-piasa ny mpitandro ny filaminana eto amintsika ,ka niala maina ireto jiolahy tamin’ ity indray mitoraka ity.
ALEM