- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao-Tsienimparihy : Disadisan'ny polisy sy zandary : nisy fivoriana maika

Ambalavao-Tsienimparihy : Disadisan’ny polisy sy zandary : nisy fivoriana maika

Ny polisy dia nilaza fa nanao fisamborana olona roa izy ireo tao amin’ny fokontany Andonaka. Ireo olona dia voarohirohy amin’ny halatra taolam-paty sy fitazomana basy tsy misy alàlana. Ny zandary indray, rehefa nampandrenesin’ny olona, dia tonga teo amin’ireo polisy nisambotra ary nahatsikaritra fa nisy endrika fanerena olona handoa vola nataon’ireo polisy. Vola mitentina 15 tapitrisa Ariary izany, raha araka ny fanadihadiana nosokafan’ny zandary. Isan’ny hamarinin’izy ireo ny fanazavan’ireo olona voakasika fa noterena hiditra tao anatin’ny fiara miloko mena. Rehefa izany dia noterena hanome vola ireo olona satria nahatratrarana basy teny amin’izy ireo. Nisy ary ny ady varotra ka rehefa raikitra izany dia nilaza ireo olona mba havotsotra kely hamondrona ny vola maika. Tao anatin’izany izy ireo no nanararaotra nampandre ny zandary. Rehefa nohamarinina dia hita teo an-toerana tokoa ny polisy efatra sy ny basy an’ireo olona. Voatery nantsoina ny lehiben’ireo polisy izay nanazava fa raharaha halatra taolam-paty no nanenjehana ireo olona. Mba nialàna amin’izay mety ho ady teo amin’ireo mpitandro ny filaminana dia nampiakarina teo anivon’ny distrika ny raharaha. Ny lehibeny distrika, ny solombavam-bahoaka ary ny lehiben’ireo vondron’ny mpitandro ny filaminana avy no niara-nikaon-doha tao. Tapaka ary fa anjaran’ny polisy ny misahana ny fanadihadiana momba ilay halatra taolam-paty ary ny zandary kosa ny momba ilay fanerena hanome vola.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici