- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmboanjobe : Matin’ny lozam-pifamoivoizana i Bema mpilalao “volley”

Amboanjobe : Matin’ny lozam-pifamoivoizana i Bema mpilalao “volley”

Nodimandry vokatry ny lozam-pifamoivoizana Rabemananjara Handriniaina fantatry ny rehetra amin’ny fiantsoana azy hoe: Bema teo amin’ny sehatry ny lalao volley ball. Voalaza fa anisan’ny efa tao amin’ny ekipam-pirenena ity lehilahy ity. Faramparany teo, nanokan-tena ho mpanazatra ny lehilahy. Vao herotrerony tokoa izy izao nindaosian’ny fahafatesana izao, 38 taona.

Ny alin’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany, niharan-doza ny fiara nentiny teny aminn’y faritra Amboanjobe tsy lavitra ny Place de l’Amitié. Nivoaka ny lalana ilay fiara ary nidofotra tamina andrin-tany. Naratra mafy teo amin’ny lohany izy. Tsy niandry fa nentina avy hatrany tany amin’ny trano fitsaboana. Rehefa tany anefa, nilaza ny mpitsabo fa efa tsy namana intsony i Bema. Ireo olona telo hafa niaraka taminy dia samy naratra avokoa. Ny iray afaka nandeha nody rehefa nahazo fitsaboana, ny roa kosa mbola tazonina eny amin’ny hopitaly, araka ny fitantaran’ny fianakaviana tafaresaka taminay.

Ny vaovao hatrany no nahafantarana, fa avy tany Ambatofotsy namonjy lanonana fankalazana tsingerin-taona nahaterahan’ny namany ry zareo ireo, no sendra izao loza izao. Handeha hody eny amin’ny 67 Ha ireto olona ireto.

Maromaro ny loza tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo iny. Ankoatra ireo nahafatesana olona, nisy hafa koa niseho teny Ambohimanambola. Fiara iray no nirehitra, mpivady nitondra môtô no nitrosina tamin’ny sisin-dalana raha niala olona.

Nangonin’I r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici