- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpitondra sarety kely namingavinga mpitandro filaminana

Antsirabe : Mpitondra sarety kely namingavinga mpitandro filaminana

Niainga hatreo amin’ny Shoprit Antsenakely ka  tsy nijanona raha tsy tany amin’ny kaomisaria ny fifamaliana, tamin’ny faran’ny herinandro teo niseho ity tranga ity. Andaniny, mpitondra sarety kely iray niaraka tamina entana maro be no tsy dia afaka mandeha mafy loatra. Iaharaha-mahita rahateo ny vesatry ny entana hoentin’izy ireny, fa tena  mitondra ny tsy eran’ny aina tokoa. Ankilany ny mpitandro filaminana manao ny asany, mandamina ny fifamoivoizana, nanatona ilay mpitondra sarety izy ary nilaza fa mandehana mafimafy, fa mampitohana ny fifamoivoizana ny saretinao. Vetivety dia samy niaka-pofona ny roa tonta, ka nivazavaza mafy ity mpikarama mitondra sarety nanazava, fa tsy afaka mandeha mafy ny tenany vokatry ny havesatry ny entany. Nitohy ny fifamaliana no sady mandeha ihany ny sarety. Nosakanan’ilay mpitandro filaminana ity farany, ka tsy navelany nandeha intsony. Tsy nanaiky lembenana anefa ilay mpitondra sarety, fa vao mainka niakatra ny mari-pana ka tonga hatramin’ny hoe io “andramo hoentina ny sarety dia ho hitanao ny lanjany raha mafy ianao”. Ny mpandroba hoy hatrany ity farany tsy hitanao izay anaovana azy fa izahay mikarama mafy toy izao indray no sakasakananao. Nitohy hatrany moa ny fifamaliana, ka tonga hatrany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana nalamina. Fantatra fa nomena fampitandremana ilay mpitondra sarety kely ary nalefa nanohy ny diany avy teo.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici