- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversGadra nitsoaka : Leo mandoa vola amin’ireo mpitazona azy

Gadra nitsoaka : Leo mandoa vola amin’ireo mpitazona azy

Lehilahy iray antsoina hoe, « Dody Menamaso » no voasambotry ny pôlisy avy amin’ny sampana miady amin’ny zava-mahadomelina, teny Talatamaty, ny alahady lasa teo. Gadra nitsoaka avy eny Antanimora ity olona ity, ary tokony mbola hisazy efa-taona an-tranomaizina, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Niaiky tokoa anefa i Dody fa nitsoaka ny fonja, tamin’ny fanadihadiana azy, satria, tsy arany intsony ny mandoa ireo volabe takian’ireo mpitazona azy, rehefa hivoaka ny fonja. Ny volana may tamin’ny taon-dasa iny ity lehilahy ity no fantatra fa nitsoaka ny fonja nitazomana azy. Voarohirohy tamina resaka fifohana sy fivarotana rongony mantsy Dody Menamaso. Rehefa voasambotry ny pôlisy izy ny volana novambra 2014 ka natolotra ny Fitsaràna dia voaheloka higadra 4 taona. “Polisy handeha hiasa teny amin’iny faritra Ivato iny no nahatsikaritra azy teny Talatamaty ka nisambotra azy avy hatrany tamin’io fotoana io” hoy ny vaovao. Ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana taminy no nilazany fa “nandoa vola 600 000Ar tamin’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny fonja izy mba hahazoany “consultation” hahafahany mitsabo tena ety Ivelany. Nilaza ihany koa izy fa mandoa vola 200 000 Ar isaky ny mivoaka ny fonja”. Raha ny fantatra anefa dia efa-21 ity gadra ity no tafavoaka tao am-ponja. Etsy an-danin’izay, mbola manome vola efatra alina ariary ho an’izay mpiandry fonja manaraka azy eny am-pivezivezena eny ity olona ity. Nilaza ny maharaka ny mandoa izany volabe be izany intsony ralehilahy ka naleony nitsoaka ny fonja. Natolotra ny Fampanoavana omaly ihany moa ity gadra nitsoaka ity. Raha izany tokoa no izy, ary raha io no an’ny olona migadra iray, vola tsy toko tsy forohana araka izany no mihodinkodina ao am-pigadrana ao, raha ho an’ireo voafonja an-jato maro no jerena. Kanefa dia aiza avokoa izany ?

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici