# – Maevatanana. Lasa fieren’ny dahalo ireo sekolim-panjakana rava. Raha ny vaovao marim-pototra samihafa voaray avy any Maevatanana dia lasa toeram-pieren’ ny dahalo efa am-bolana ny ankamaroan’ ireo sekolim-panjakana rava any amin’ ireo Kaominina ambanivohitra any amin’ity Distrika ity, ka anisan’izany ny ao amin’ny kaominina Mangabe, Antanambao, Imerimandroso, Ankadindrano… Ireo dahalo avy manafika any amin’ ny tanàna hafa mandalo any amin’ ireo Kaominana ireo no miafina amin’ ireny trano fianarana simba tsy misy mampiasa intsony ireny. Noho ny fahamaroan’ny mpianatra mitsoaka an-daharana tsy afa-manohy fianarana no mampahazo vahana ny asan-dahalo, ny fanafihana fiara amin’ ny lalam-pirenena, ary ny fandrobana mitam-piadiana, satria tsy manana raharaha hafa azo atao ireo tanora, hoy ny vaovao.
# – RN4. Vokatry ny rotsak’orana, tapaka indray ny lalana noho ny fihotsahan’ny tany. Noho ny fihotsahan’ny tany amin’ny andaniny roa amin’ny arabe, vokatry ny ora-nikinja, dia tapaka indray ny lalam-pirenena faha-4, mampitohy an’Antananarivo amin’i Mahajanga, ao amin’ny PK 615,400 any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Berivotra 5/5, Distrikan’i Maevatanàna. Mbola nahitana fahatapahan-dalana ihany koa ny eo anelanelan’Ambalabongo sy Ikalamilotra amin’ny RN4, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa