- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversBy-pass : Vehivavy naolana sy novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina

By-pass : Vehivavy naolana sy novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina

Vehivavy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no naolana ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, omaly teny amin’iny sisin’araben’ny By pass iny. Ireo olona sendra nandalo vao maraina teny amin’iny faritra Ankadievo iny, no nihoron-koditra raha nahita an’ity vehivavy midaraboka amin’ny tany sy tsy nisy aina intsony, izay zavatra tsy dia fahita firy teny an-toerana. Tonga teny ny mpitandro filaminana rehefa nampandrenesina tamin’iny tranga ity. Ny fizahana nataon’ireo tompon’andraikitra no nahalalana fa novonoina ity vehivavy ity. Nisy faritra ratra ny tarehiny, izay tombanan’ireo mpanao fanadihadiana ho antony nahafaty azy. Tsy vitan’izay nodarohana sy nampijaliana mantsy, fa mbola toa ohatr’ireny nozerana vato be ireny ihany koa ity faritry ny lohany. Ambonin’izay, ny fizahana nataon’ireo mpitsabo, raha ny vaovao voaray hatrany dia fantatra fa mbola naolan’ireo tsy mataho-tody ihany koa ity vehivavy ity. Raha ny tombatomban’ireo mponina teny an-toerana dia mety ho maromaro mihitsy ireo olon-dratsy no nanampatra ny filan-dratsiny sy namono ity ramatoa ity. Nisy ihany ny taratasy nahafantarana azy tany aminy, ka nahafahana niantso ireo fianakaviany. Tamin’izany no nahalalana fa avy niasa izy ka handeha hamonjy fodiana. Orinasa iray, mpanodina voankazo eny amin’iny faritra Tanjombato iny no niasany. Somary taraiky hariva foana anefa ity ramatoa ity rehefa mirava. Amin’izay fotoana izay anefa dia tsenaim-badiny , indrindra rehefa tratra alina. Tamin’io fotoana io, dia angamba nifandiso izy mivady ireto, ka izao nifanehitra tamin’ireo olon-tsy vanona ilay ramatoa. Ary dia niafara tamin’ny famoizany ny ainy, rehefa avy nanamparan’ireo tsy jiolahy ny filàn-dratsiny. Taorian’ny fizahana isan-karazany dia nomena ny fianakaviana ny razana. Nanokatra fanadihadiana kosa ireo mpitandro filaminana, hikarohana ireo nahavanon-doza. N’aiza n’aiza tokoa amin’izao, efa tsy milamina intsony ny tanàna. Tokony ho mailo foana araka izany ireo mponina, indrindra fa ireo izay tsy maintsy mandeha alina.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici