- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Kalach 6, Mass 36 roa, basy poleta vita gasy maro...

Ambatondrazaka : Kalach 6, Mass 36 roa, basy poleta vita gasy maro no saron’ny zandary

Nidina ifotony amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna ny avy teo anivon’ny zandarimaria aty Alaotra Mangoro ka nahazaoana vokatra izany .Raha efa nisy basy kalaknickov 3 no azo’ny zandary teto anivon’ny kaompanian’Ambatondrazaka tamin’iny faramparan’ny taona 2015 teo iny.Raha ny fifandonana tamin’ny jiolahy , dia fantatra ihany koa tamin’ny tatitra nataon’ny lehiben’ny kaompanian’Ambatondrazaka ,ny Kapiteny Ramboasalama Bruno, fa nahatratra basy kalaknickov 3 ihany koa izy ireo ,mass 36 roa, poleta vita gasy maromaro raha ny tombana natao tao anatin’ny 3 volana farany niasan’ny zandary, izany hoe tafakatra 6 izany ny kalaknickov sarona . 80 isan-jato amin’ireo omby very dia tafaverina tamin’ny tompony avokoa ary dahalo 6 no maty tao anatin’ny fifanjevoana nifanaovan’ny dahalo sy ny zandary. Nanambara ity tompon’andraikitra eny anivon’ny zandary ity, fa tsy maintsy atao ny hampandry fahalemana ny faritra Alaotra ,satria tany anivon’ny distrikan’Amparafaravola no tena nanjaka ny halatr’omby ny faran’ny taona teo. Manao antso ho an’ny vahoaka izy ny tsy hisalasala hanome ny vaovao amin’ny alalan’ny laharana 119 raha misy ny fanafihana sy andian’olona tsy mazava .Ny alatsinainy 01 febroary 2016 teo ity manamboniahitra ity no nihaona tamin’ny mpanao gazety.
Janus

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici