# – Soamahamanina. Nidina an-dalambe omaly ny mponin’ny fokontany mba hoentin’izy ireo hanehoana ny tsy fahafaliany momba ny fitrandrahana volamena izay ataon’ny sinoa eo an-toerana. Ahian’izy ireo ny hanalàna azy eo an-tanàna ary izany dia mahakasika velaran-tany 22ha.
# – Analamahitsy. Lehilahy naratra mafy nipoahan’ny dinamita. Lehilahy iray no fantatra fa naratra mafy nipoahan’ny dinamita tao amin’ny toerana famakiana vato iray eny amin’ny faritra Analamahitsy. Faritra bebe ihany amin’ny tenany no rotiky ny fipoahana. Ny vaovao no nahafantarana fa mbola teo am-piomanana hanapoaka vato izy no niseho tampoka ny loza. Avy hatrany moa dia nentina teo no ho eo tany amin’ny hopitaly izy.