Henjana ny fisavana miditra ny seranan-tsambo taorian’ny nahazoan’izy ireo ny “Iso ISPS” amin’ny resaka fiarovana ny seranana, henjana araka izany koa ny fanaraha-maso amin’ny fampiasana ireo “camera” samy hafa an-jatony eran’ny seranan-tsambo. Mahita hirika hatrany anefa ireo mpibizina amin’ny fampiasana “kolikoly” amin’ireo mpiambina mpanara-maso.
Kolikoly 5.000 ariary. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary ity mpibizina vatosoa ity, dia niaiky izy fa nampiasa kolikoly 5.000 ariary tamin’ity mpiambina iray teo am-bavahadin’ny seranan-tsambo, nahafahany niditra mora foana tamin’ireo fisavana misy eo am-pidirana. Nandeha an-tongotra ity mpibizina ity teo am-pidirana ny seranan-tsambo tamin’izao nataony izao, ary nandainga tamin’ny zavatra hataony eo anivon’ny seranan-tsambo ka nahatonga ny zandary nanara-maso azy raha nampiahiahy azy ireo ny fihetsiny. Teo am-pivarotana ireto vatosoa tamin’ireo mpizahatany nentin’ny sambo “Costa” mandalo ao Toamasina isaky ny 15 andro hatramin’ny volana martsa izao. Voarara anefa ny fanaovana varotra eo anivon’ny seranana ka voatery nisambotra azy ny zandary.
Maro ny hosoka. Niditra an-tsehatra nijery ny zava-misy amin’ny maha-tompon’andraikitra mampanara-maso ireo vatosoa ny talem-paritry ny harena ambanin’ny tany ao Toamasina, Atoa Amable André Benjamin, sy ireo mpiara-miasa aminy. Tamin’izany no nahalalana aloha, fa maro tamin’ireo vatosoa ireo no tena izy fa tsy vitsy ihany koa ireo hosoka tao anatiny. Karazana vatosoa efa vita ireto tratra iretoHalefa eto Antananarivo izy ireto anaovana fizahana amantarana ireo tena izy sy ireo hosoka, ka arakaraka izany no ahalalana ny teti-bidiny izay hamaritra ny sazy tsy maintsy haloan’ity mpibizina tratra. Nefa manana 48ora hanaovana fangatahana amin’ny andoavana sy hakany ny entany izy, ary iray volana andoavana ny onitra, dila izay fe-potoana izay ka tsy voaloa ny onitra voalazan’ny tetim-bidin’ireto vatosoa ireto dia sazy 05 hatramin’ny 10 taona am-ponja ny manaraka.
Azo aondrana tsara ny vatosoa tahaka ireto tratra ireto, hoy ny talem-paritry ny harena ambanin’ny tany ao Toamasina, saingy misy ny lalana tsy maintsy arahina izay miandoha amin’ny fanaovana fangatahana izany ary ny fandoavana ny volam-panjakana mifanaraka amin’ny vatosoa haondrana ihany koa. Izao endrika an-tsokosoko izao anefa no manimba ny vatosoa sy ny mpandraharaha aminy, satria amin’ny fisian’ny hosoka amin’ireo vatosoa tratra ireto dia tena endrika ratsy ho an’ny Malagasy.
Malala Didier