- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Fanafihan-jiolahy; mandrahona ny fianakavian’ny maty ny naman’ireo jiolahy

Ambatolampy : Fanafihan-jiolahy; mandrahona ny fianakavian’ny maty ny naman’ireo jiolahy

Matahotra mafy ny ainy ny fianakaviana iray niharan’ny fanafihan-jiolahy ao amin’ny kaominina Antsahalava, distrikan’Ambatolampy. Misy naman’ireo jiolahy voasambotra mantsy mbola miriaria any ka mandrahona sy milaza fa hanapitra ny an’izy ireo.

Voatery nafindra toerana mihitsy noho izany, ity fianakaviana iray ity sy ny fiakaviana akaiky azy mba ho fiarovana ny ainy. Raha tsiahivina, nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao amin’ny tanàna antsoina hoe Angodona Anosiravo tamin’ny herinandro lasa teo. Maty voatifitra tamin’izany ny raim-pianakavina iray. Taorian’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana dia jiolahy efatra no voasambotra. Natolotra ny fitsarana izy efa-dahy ireto tamin’ny alatsinainy lasa teo ary nidoboka am-ponja avy hatrany. Voampanga ho nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana mantsy ry zalahy. Tsy mitsahatra mahazo fandrahonana ny fianakavian’ny maty amin’izao, atao izay handrenesany fa ho avy hamaly faty ny namany nigadra ry zalahy ary hamono izay mbola velona.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici