Voasambotry ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona, teny Mandriambero, Ambohidratrimo, ny alakamisy lasa teo, ny lehilahy iray, voarohirohy tamina resaka fanolanana ny zafikeliny vao 13 taona monja. Torak’izay ihany koa ny vehivavy iray, nampaniraka an’ity ankizivavy ity hivaro-tena. Raha ny tranga tokoa, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy, ny taona 2013 dia nipetraka tao amin’ireto ray aman-drenibeny ireto ity zazavavy ity. Nisy fotoana tsy nahateo an’ilay renibeny anefa ka dia nohararaotin’ity raibeny nanaovana ny filan-dratsiny ilay ankizy. “Rehefa niverina ity renibeny dia nitaraina ilay zaza fa naolan’ity raibeny tao an-trano. Manoloana izany dia tsy nino azy ilay renibeny. Nanomboka teo dia vonoin’ity voalaza fa nanolana ity zaza ity ka dia nandositra niala ny trano” hoy ny vaovao. Tonga hatrany Moramanga mihitsy ity ankizivavy ity tamin’izay ary niantrano taman’olona. Tsy vita hatreo anefa ny adim-piainany. Nasain’ity olona nampiantrano azy nivaro-tena. Ary raha ny vaovao dia vola telo alina ariary no azony tao anatin’ny indray alina, tamin’ny fiarahana tamina lehilahy efatra be izao. Tsy nahazo na dia ariary tamin’io vola io anefa izy. Nitety tanan-dehibe maro taorian’izay ity ankizivavy ity taorian’izay. Ambatondrazaka, naverina tao Moramanga ary tonga hatrany Maevatanana. Ilay olona nampiantrano azy farany tany ity no tonga nanatitra azy tao amin’ny pôlisy rehefa nalefa tamina fandaharana fitadiavana zaza very tamina haino aman-jery ny fahaverezany. Marihana, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy , fa tamin’ny fanadihadiana an’ity lehilahy raibeny ity, dia niaiky ity farany fa tena nanolana ilay tovovavy. Na dia teo aza anefa izay dia nomen’ny mpitsara mpanao famotorana, fahafahana vonjimaika izy.
m.L