Rongony nilanja 5 kilao indray no saron’ny polisy misahana ny ady atao amin’ny zava-mahadomelina ao Toliara, ny faramparan’ny herinandro teo, tao Ampasikibo, fokontany iray malaza ratsy amin’ny varotra “ jamala “ ao an-drenivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana. Raim-pianakaviana iray sahabo ho 48 taona no nahatratrarana an’ireto rongony tao an-tranony efa vonona hamidy, ka nisy tamin’ireo rongony sarona no voany saika hambolena. Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia isaky ny alina hatrany no misy manatitra rongony ao amin’ ity rangahy mpibizina “ jamala “ tratra ity. Vidiny roa alina ariary ny iray kitapo, ary amidiny antsinjarany roanjato ariary kosa ny fonosana iray avy eo. Rongony nilanja 178kg izay nahavoasaringotra olona 43 niakatra fitsarana, niampy toeram-pambolena rongony telo hekitara sarona ka nodorana, ny taon-dasa. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitrapo nanome ny vaovao marim-pototra ny mpitandro filaminana amin’ny fiparitahan’ny rongony ao Toliara no nahazoana an’ireo vokatra ireo, hoy ny Polisy.
Eric Manitrisa