Isan’ny mahasarika ireo andian-jiolahy indray izao ny fanafihana ireo mpandraharaha sy mpanangona jirofo ao amin’ny faritra Analanjirofo. Tato ho ato dia lasibatr’ireo andian-jiolahy mitam-basy “PA” ireo tamin’izany ny ao amin’ny distrikan’i Vavatenina sy ny distrikan’i Soanierana Ivongo.
Ny sabotsy nifoha ny alahady tokony ho misasak’alina teo dia tao amin’ny kaominin’Ambahibe, distrikan’i Vavatenina, indray no nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana nahery vaika, nataon’ireto andian-jiolahy niisa 10 be izao, izay samy nitondra basy PA, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, ary mbola nanao fanamiana miaramila “tena izy” izay tsy fantatra hoe taiza ny toby nivoahany sy namoahana azy. Mpandraharaha amin’ny resaka jirofo sy vokatra fanondrana antsoina hoe Evariste no notafihan’ireto andian-jiolahy 10 ireto. Vao tafiditra tao an-trano ireto andian-jiolahy ireto dia nanambana basy avy hatrany ny tompon-trano sy nitaky ny hamoahany ireo vidin’ny jirofo vao azony. Nilaza tamin’izany i Evariste fa tsy manana vola mitahiry an-trano, tsy nino izany ireto andian-jiolahy ka nikaroka eran’ny trano ilay vola notadiaviny, nefa tsy nahita afa-tsy 400.000 ariary, vola maty ny harivan’ny sabotsy, noho ireto fianakaviana ireto mivarotra ihany koa. Raha variana nisava ny trano ireto jiolahy ireto dia tafaporitsaka Ingahy Evariste, ka izay no nahavotra ny aina.
Doro trano sy fiara. Tezitra tamin’ny fandosiran’i Evariste sy ny tsy nahitan’izy ireo ireo vola be vidina jirofon’ireo fianakaviana ireo ireto andian-jiolahy niisa 10 nitondra PA sy nanao fanamiana miaramila ireto dia nivoaka ny trano, ka teo no nahitan’izy ireo ity ramatoa iray nijery ny zava-nisy teo an-tokotany ka notifiriny. Voan’ny bala telo tamin’ny faritry ny kibony ity ramatoa ity, efa eo am-pelatanan’ny hopitalibe Toamasina izy ankehitriny saingy mbola miady amin’ny fahafatesana. Tsy afa-po ireto jiolahy ka ilay fiara tsy mataho-dalana, an’Ingahy Evariste, mijanona teo an-tokotany no nodoran’izy ireo, ka nitatra tamin’ny trano niisa dimy. Tsy nisy noraisina fa may kila tao avokoa ny fananana rehetra, soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’izay firehetana izany. Nitohy hatramin’ny alahady maraina ny famonoana ny afo, noho ireo menaka sy solika ary vokatra mirehitra hita tamin’ireo tokantrano ireo, noho izy ireo mpivarotra sy mpanangom-bokatra avokoa.
Taorian’ny fandoroana fiara sy trano nataon’ireto jiolahy, raha tsy nahita ilay vola be notadiaviny, vao nitsoaka izy ireo izay mbola nanapoaka basy maromaro ihany koa nampitahorana olona mety hanakantsakana ny diany. Ho an’ny polisy sy ny zandary ao Vavatenina, misahana ny raharaha, dia olona tsy lavitra an’Ingahy Evariste no ao ambadik’izao raharaha izao, satria mahalala tsara ny vola be azony tamin’ny famarotana jirofo nataony, nefa efa napetraka eo amin’ny banky ireo vola…
Malala Didier