AMBILOBE. Razana efa nihasimba tsy misy tanana sy tongotra hita tany an’alam-pary. Lehilahy iray manodidina ny 45 taona, izay voalaza fa mamolava, no hita faty tao anaty alam-pary ny alakamisy maraina teo, tany amin’ny fokontany Ampanakana, Kaominina Mantaly, Distrikan’Ambilobe. Raha ny vaovao voaray dia tsy nisy tongotra sy tanana intsony, ary efa nihasimba, ny razana hitan’ olona sendra nandalo, izay 30 metatra miala ny arabe. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ny sefo fokontany izy ireo. Ao anatin’ny fikarohana sy ny fanadihadiana ny nahavanon-doza ny zandary amin’izao fotoana, taorian’ny fizahana ny razana nataon’ ny mpitsabo.
MIANDRIVAZO. Mirongatra ny halatra lakolosim-piangonana. Taorian’ny distrikan’i Belo Tsiribihina (tamin’ny faramparan’ny volana janoary lasa teo) dia tonga any amin’ny distrikan’i Miandrivazo indray amin’izao ny halatra lakolosim-piangonana noho ny filana sy fitadiavana varahina. Lasa bizina matavin’ireo mpangalatra havadika ho vola haingana indray ny lakolosim-piangonana. Araka ny loharanom-baovao voaray dia ripaka avokoa ireo lakolosy amin’ireo fiangonana katolika any ambanivohitr’i Miandrivazo amin’izao fotoana izao. Hatreto dia lakolosy miisa 6 no efa lasa. Mihanika tilikambo mihitsy ireo jiolahy mangalatra izany fitaovam-piangonana izany. Tsy ny aretina ambalavelona ihany izany no mampitondra faisana ao Miandrivazo fa hatramin’ny tempolin’ Andriamanitra voazimbazimba. Ao raha !
SAMBAVA. Mirongatra ny halatra lavanila maitso eny an-tanimboly. Mirongatra amin’izao ny halatra lavanila maitso, any amin’ny Distrkan’i Sambava. Afak’omaly maraina, raha araka ny vaovao marim-pototra azo, dia lavanila mbola tsy matoy 10 taho any ho any no nisy nangalatra teny an-tanimboly, tao Ampisasahan’Ala Antognompahitra. Taitra ny tompon’ity toeram-pambolena ity raha iny handeha hiasa nahita lavanila manta maromaro niparitaka. Rehefa narahina dia nahatratra lehilahy iray, tokony ho 37 taona eo. Mbola nahitana lavanila teny an-tanany saingy natsipiny raha vao nisy nahatazana izy. Nitory ny niharam-boina ary natao fanadihadiana ilay mpangalatra voasambotra. Raha izao no mitohy dia mampatahotra ny ho avin’ity lalam-pihariana ity, satria na lavanila tsy matoy aza dia efa tsongoina.
Eric Manitrisa