Hatramin’ny omaly izay nanoratanay, dia mbola mitohy ny fifampitifirana tao amin’ny fokontany Miadankofeno, ao amin’ny manodidina an’i Tsiroanomandidy. Raha araka ny vaovao nampitain’ny zandary dia nisy naman’izy ireo izay miasa any an-toerana, nifampitana tamin’ny dahalo, hatramin’ny alahady lasa teo. Tombanana ho roapolo ny isan’ireo olon-dratsy ary mitazona basy sivy. Roa amin’ireo no voamarika fa kalachnikov. Mifampitifitra tanteraka ny roa tonta ary tsy misy manaiky ny ho resy hatramin’ny omaly. Nanapa-kevitra avy hatrany ny foiben’ny zandary eto An-drenivohitra ny nandefa olona fanampiny any an-toearna. Omaly no niainga teto Tanà ny fiara tsy mataho-dàlana roa an’ny Emmo-Sécurité izay feno zandary ary nitodi-doha nankany an-toerana. Raha ny fantatra omaly, dia efa voaverina tamin’ny tompony ny ampahan’ireo omby nangalarin’ny dahalo, saingy ny fifampitifirana kosa dia mbola nahery vaika. Midika izany fa tsy vitan’ny manana basy ireo dahalo mpangalatr’omby fa mbola manana bala maro hahafahany mifampitana amin’ny mpitandro ny filaminana. Nohamarinin’ny zandary fa, ny marainan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina no nigadona tao amin’ny fokontany antsoina hoe Analampisaka-Fihaonana, ireo olon-dratsy. Nanao ny fanafihana mahazatra azy izy ireo. Nanomboka nanao ny fanarahan-dia ny zandary avy tao amin’ny vondrotobim-paritra Bongolava; izay nohamafisin’ireo namany teo anivon’ny kaompania Tsiroanomandidy. Tao Miadankofeno no nanomboka nifanehitra ireo mpitandro ny filaminana sy ny dahalo ary mbola nitohy hatramin’ny omaly izany.
D.R