- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Môtô tafasitrika tany ambany taxi-be, zazakely iray namoy ny ainy

Ambohimanarina : Môtô tafasitrika tany ambany taxi-be, zazakely iray namoy ny ainy

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahery vaika indray, teny amin’iny valahalavan’Ambohimanarina iny, ny alahady tolakak’andro teo. Taxi-be 112 iray handeha ho any Ambohimanarina no nifaoka môtô iray handeha hiainga. Vokany zaza kely iray nentina teny ambonin’ity môtô ity no namoy ny ainy, naratra mafy kosa ireo ray aman-dreniny nitondra azy. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso dia mbola nisy mpandalo hafa teny an-toerana no voafaokan’ity fiara ity. Tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro teo no nitrangan’ity loza ity. Raaha ny filazan’ireo mponina dia nifanenjika avy any Ankazomanaga ireto taxibe roa, samy hihazo an’Ambohimanarina. Teo am-pisongonana ilay fiara teo alohany mihitsy ny ity taxi-be ity no tsy voatana ny familiana ary dia nifatratra tany amin’ilay môtô handeha hiainga teny amin’ny an-kaviany. Tafasitrika tany ambanin’ilay taxibe mihitsy aza ity môtô ity noho ny hamafin’ny fifandonana. Samy voa teo amin’ny valahany sy ny kibony izy mivady lehibe. Nipitika ary voa teo amin’ny lohany kosa ilay zazakely. Nentina novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly izy telo mianaka ireto. Indrisy anefa fa tsy tana intsony ny ain’ilay zaza, noho ny dona mafy nahazo azy. Mbola ao anatin’ny fanaraha-maso tanteraka kosa ireo mpitsabo ny amin’ny toe-pahasalaman’ireo ray aman-dreniny raha ny fanazavàna azo. Ireo hafa voadona kosa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Araka ny vaovao azo hatrany dia nitolo-batana teny amin’ny pôlisy, ilay mpamilin’ity taxi-be ity, omaly maraina. Tsy hita tany nanjavonana mantsy ity farany ny andro nisehoan’ny loza, izay nampiteraka hatezerana teo amin’ireo mponina. Tsy vao izao tokoa no namoa-doza vokatry ny fandehanana mafy ireto fiara taxi-be ireto. Ity resaka fifanenjehana ity hatrany no anton’izay. Inoana fa hisy ny fepetra henjana ho raisin’ireo tompon’andraikitra manoloana ny trangan-javatra toa izao. Ny ain’ireo mpandeha mihitsy mantsy no lalaovin’ireo mpamily.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici