Tao anatin’ny fotoana fohy monja dia najifa tsy nisy hita ny entam-barotra vao nalaina, izay an’ny sinoa iray mpivarotra eo Behoririka. Izany dia nandritra ny fidinan’ny andian’olona teny an-toerana ary milaza ho mpivarotra an-tsisin-dàlana nenjehin’ny mpitandro ny filaminana rehefa nanao fihetsiketsehana omaly. Raha araka ny fanazavana azo dia mody niafina teo akakin’ilay fiara mini-bus ireo andian’olona. Raha noheverina fa niala ireo mpitandro ny filaminana ny nandehanan’ireo teo, hay ny tanjon’ireo olona dia ny handroba ireo entana tao anaty fiara. Mitentina eo amin’ny 600.000 ariary eo ny totalim-bidin’ireo entana lasan’ny olon-dratsy. Tsy hitan’ny tompon’ny fiara akory ny fandrobana, satria izy mbola variana nanidy ny toeram-pivarotana, kinanjo efa nandeha ny famakiana ny fiara mpitatitra entany. Zara aza mba tsy lasa hatramin’ny fiara, hoy ny olona nahafantatra ny fisian’ity tranga ity. Midika avy hatrany izany fa misy hatrany mpanararaotra ao anatin’ny hetsika iray iraisan’ny andian’olona. Mila miara-mailo araka izany na ny mpitandro ny filaminana na ny mpivarotra ary mandray ny andraikitra tandrifiny azy, satria efa manomboka manararaotra ny mpandroba ao anatin’ny hetsika toa itony. Omaly dia nampitandrina ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana eto amin’ny faritra fa hiditra an-tsehatra tanteraka amin’izay raha mbola misy ny fihetsiketsehana anio. Ho an’ny mpanara-baovao dia ahiana ny mety hisian’ny fifandonana anio etsy Analakely sy ny manodidina. Manoloana ity zava-nitranga omaly tetsy Behoririka ity dia mila mailo, araka izany, ny mpivarotra. Tsy tena fihoaram-pefy loatra no mitranga fa fanararaotana tanteraka…
D.R