# – Tsiroanomandidy. Fiarabe nivadika, omby 4 maty tsy tra-drano, olona iray naratra mafy. Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tamin’ny lalam-pirenena voalohany, tao Andranomadio 8 km miala an’i Tsiroanomandidy, ny faran’ny herinandro teo, ka kamiao iray nitondra omby ho aty an-drenivohitra nivadika. Omby efatra nentin’ity fiarabe ity maty tsy tra-drano, ary olona iray tao anatiny ihany koa naratra mafy. Raha ny vaovao voaray dia nandeha mafy ity kamiao ity. Tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana ny fiara nentiny. Niala lavaka izy ka nivadika ambony ambany ilay fiarabe ka niharan-doza.
# – RN5A sy RN33A. Tapaka tanteraka tsy azo ivezivezen’ny fiara intsony. Mijaly ny vahoaka sy ireo mpandeha fa tapaka tanteraka tsy azo ivezivezen’ny fiara intsony ny lalam-pirenena faha-5A Ambilobe-Vohémar, mirefy 162km. Tsy misy afa-tsy moto, sarety ary dia an-tongotra vao tonga any. Roa hetsy ariary isan’olona ny saran-dalana raha mandeha kodiarana roa (moto). Vokatry ny fahatapahan’ny lalana, miakatra avokoa ny vidin-javatra rehetra, indrindra ny PPN. 500 ariary kapoaky ny vary, 3500Ar ny ovy. Tapaka tanteraka tsy azo ifamezivezena ihany koa RN 33A mankany Tsarantanana. Vokatry ny rotsak’orana farany teo no anton’izany, hoy ny vaovao voaray.
Eric Manitrisa