Nahazo vaovao ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava- mahadomelina avy etsy Anosy fa misy lehilahy iray mivarotra rongony eny amin’ny faritra Ankazomanga. Tsy niandry ela fa nandeha teny an-toerana ry zareo tamin’ny talata lasa teo. Tratra teo ampivarotana rongony tokoa ny lehilahy iray antsoina hoe Herinandrasana, 30 taona. Mbola hita tany aminy ny fonosana efa vonona ny amidy miisa 55. Rehefa nofotorana izy dia nanambara fa tsy fantany ny toerana nividianana ireo zava-mahadomelina ireo. Ny fanazavany hatrany no nahafantarana fa rehefa maraina dia mandeha mivoaka ny trano ny vadiny mitondra vola 20 000 ariary ary rehefa miverina dia mitondra ny « entana ». 500 ariary ny hivarotany ny fonosana iray ary mahalafo hatrany amin’ny 20 izy amin’izany. Omaly no natolotra ny Fampanohavana ity olona ity.
r.s.