- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadivato : Raikitra ny fifanenjahana teo amin’ny pôlisy sy ny jiolahy

Ankadivato : Raikitra ny fifanenjahana teo amin’ny pôlisy sy ny jiolahy

Tokantrano roa indray no saika niharan’ny fanafihan-jiolahy , ny talata alina lasa teo, teny amin’iny faritra Ankadivato sy Ambaranjana iny. Nalaky tonga  anefa ireo mpitandro filaminana ka raikitra ny fifanenjehana. Raha ny vaovao voaray dia efa nisy ny voasambotra tamin’ireo olon-dratsy ary mbola eo am-pitadiavana ireo namany hafa ireo mpitandro filaminana. Efa tsy milamina tokoa ny tany amin’izao, eny fa na dia eo aza ny ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana, amin’ny fisamborana ireo olon-dratsy. Efa saika teo am-pidirana tamin’ireto tokantrano ireto mihitsy mantsy ireo jiolahy no nampandrenesina ireo pôlisy. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nidina teny an-toerana ireo farany. Nirifatra nitsoaka kosa ireo olon-dratsy maromaro raha vao nahita ireo mpitandro filaminana. Raikitra avy hatrany ny savahao sy ny fifanenjehana. Tsy nisy poa-basy aloha, fa ny rodorodon’ireo mpifanenjika no nahataitra ireo mponina teny an-toerana. Rehefa toe-draharaha toa izany tokoa, dia efa samy malina sy vao mainka manamafy ny hidin-tranony avokoa ny rehetra. Nambaran’ireo mponina tokoa mantsy fa efa tsy misy azo atokisana intsony amin’izao. Indraindray mantsy, hoy izy ireo, ireo olon-dratsy ihany no mody mifanenjika na ihany koa mody miantso vonjy, toy ny miseho eny amin’iny faritra Ambanidia iny. Izay olona sahy mivoaka amin’izay fotoana izay, dia efa lasibatr’izy ireo. Amin’izay lafiny izay, dia tsy mitsahatra manentana ny mponina ireo mpitandro filaminana, mba hiantso azy ireo avy hatrany, raha vao misy toe-javatra mampiahiahy, hahafahan’ireto farany tonga ara-potoana sy mifehy izay asa ratsy mety hisy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici