- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Dahalo an-jatony nanafika tanana, omby 300 indray very

Betroka : Dahalo an-jatony nanafika tanana, omby 300 indray very

Niha-nahazo vahana indray ny asan-dahalo, rehefa nangingina teo aloha teo, any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny. Ny alarobia alina hifoha alakamisy lasa teo, nitrangana fifandonana mahery vaika indray teo amin’ireo zandary niaraka tamin’ny fokonolona, sy dahalo an-jatony maro, tonga nanafika tao amin’ny tananan’Andavanimamba, kaominina Ianankafy. Vokany, resy tosika ireo olon-dratsy ary namela ny omby nangalariny, izay niisa teo amin’ny 300 mahery teo. Raha ny zava-nisy, dahalo an-jatony maro, nirongo basy, no tonga nandrava an’io tanàna voalaza etsy ambony io, ao amin’ny distrikan’i Betroka. Na dia teo aza ny finiavan’ireo fokonolona hiaro ny fananany, tsy nahatosika ireto olon-dratsy izany. Vokany, omby an-jatony mahery no lasan’ireto farany. Tsy nisy aloha ny aina nafoy. Na izany aza, fongana tanteraka kosa ny omby tao amin’ity tanana ity. Nampandrenesina avy hatrany ireo mpitandro filaminana, izay nidina avy hatrany tany an-toerana niaraka tamin’ireo fokonolona. Ny alin’io ihany dia tratra ireo malaso niaraka tamin’ireo biby nangalariny. Raikitra avy hatrany ny fifandonana. Na dia an-jatony tahaka izany aza ireo olon-dratsy, tsy nahatosika velively ireo mpanara-dia ary dia rifatra nitsoaka. Tafaverina tamin’ny tompony soa aman-tsara ihany araka izany ireto omby an-jatony isa ireto. Nilamindamina tokoa ity resaka halatr’omby sy asan-dahalo maherivaika ity tao ho ao, raha tsy hiteny hoe, nandritra ilay hetsika notanterahina tany an-toerana, kanefa dia izao miverina izao indray. Ary tsy maintsy misy foana ny rà latsaka, toy ilay tao Ilalaka farany teo, ny tany Amboasary Atsimo sy ny faritra maro hafa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici