- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Zaza 24 nitsoaka ny tranon-dray aman-dreniny tao anatin’ny iray volana

Antsirabe : Zaza 24 nitsoaka ny tranon-dray aman-dreniny tao anatin’ny iray volana

Isan’ny resaka tsy mbola afaka am-bavan’ny maro ity resaka kidnapping ity, izay hita fa nahazo vahana tokoa tato ho ato izay. Tranga efa nisy teto Antsirabe izany saingy tsy lasa lavitra akory fa matetika ireo zaza dia avotra soaman-tsara hatrany. Ankaotra izay ny ditran’ny ireo ankizy eto Antsirabe tsy lazaina intsony fa efa mila hampiteny ny moana, araka ny fitenenana. Tao anatin’ny iray volana mantsy, raha ny tarehimarika voaray teo anivon’ny polisim-pirenena,  dia efa tafakatra 24 ny isan’ny zaza mitsoaka mandositra ny ray aman-dreniny hatramin’ny niandohan’ny taona vaovao. Tarehimarika mampivarahontsana mihitsy raha ny tahan’ny fitsoahana ao amin’ny ray aman-dreniny no resahana.  Ny zaza vavy no tena maro an’isa amin’ity resaka ity, ary tsy vitan’izay fa tena mbola zaza tokoa izy ireo, manodidina ny 11 taona sy 15 taona monja ny salan-taonany. Antony iray lehibe mahatonga ity ditran’ny ankizy ity ny fanaovana sipa aloha loatra sy ny tsy fahazakana ny tenin-dray aman-dreny amin’ny ditra ataony, raha ny fanazavan’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eto Antsirabe. Mihevitra mantsy ireo zaza fa tsy tokony hobedesina intsony fa misy ny zon’ny zaza, hoy hatrany ny fanazavana. Mazàna amin’ny andro fety na fankalazana daty iray na hetsika goavana eto Antsirabe no tena mirongatra ity fitsoahan’ny zaza ao amin’ny ray aman-dreneniny ity.

Fa nanamarika kosa ny teo anivon’ny BRSP eto Vakinankatra fa araka ny loharanom-baovaon’izy ireo dia misy jiolahy gaigy lahy sy naman’ireny mpaka an-keriny ireny no efa tonga eto Antsirabe amin’izao. Voalaza moa fa fantatra ny anarany, miandahy miambavy izy ireo raha ny vaovao voaray. Efa mandeha ny fikarohana amin’izao ka anentanan’ny kaomisera ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka mba hampandre ny mpitandro filaminana haingana raha vao misy mampiahiahy sy olona tsy fanta-piaviana mihaodihaody eny amin’ny fokontany.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici